<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Mason</author>
<lyrics>[V1]
 O ! miasà, sakaiza,
 Jeso no herinao ;
 Na misy mafy aza,
 Izy tsy handao.
 Dia matokia tokoa,
 Fa Jeso momba anao,
 Ka hisy vokan-tsoa
 Hifalianao.

[V2]
 Maro ny andro lasa
 Izay tsy nanaovanao,
 Ka mbola be ny asa
 Izay tsy vitanao,
 Koa dia mitsangàna,
 Hanao tokoa izao,
 Hahavitanao tsara
 Ny anjaranao.

[V3]
 Indro fa mihariva,
 Fohy ny andronao ;
 Moa tsy mba fantatrao va
 Ka tsy hitanao ?
 Eny, fa manakaiky
 Jeso Mpitsara re,
 Ary efa 'mby akaiky
 Ny hodianao.

[V4]
 Rehefa tonga Jeso,
 Tompon'ny asanao,
 Ary hamaly soa
 Ny mpiasany.
 Mandrakizay doria
 No hifalianao,
 Raha mpanompo tsara
 Mahatoky e !</lyrics>
<title>O! miasa, sakaiza FFPM305</title>
<hymn_number>305</hymn_number>
</song>